4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hary elatra - LUDGER Andrianjaka

Hary elatra ianao

Ka handao

Hanaraka ilay nofinidy

Tena sarobidy



Tsy iza izany

F’ilay vady tiana

Ilay nofinofy

Kanjo tanteraka ankehitriny



Hary elatra ianao

K’hisidina ambony

Hisakambina

Hifampitantana amin’ilay tiana



Paradisa ny tany

Hoy ny saina

Marina izany

Kanefa koa dia holazaina



Maro no mitady hisakana

Mitady handrava ny fanambadiana

Maro ny fakam-panahy misarika

Hanatona an-drafahoriana



Eo indrindra no ilaina

Ny fandaozana an-drafahazazana

Saina matotra sy tony, fo natolotra ny fony

Olon-droa efa niray mandrakizay



N’inona mitady hisakana

Mitady handrava ka hamaha ilay tady

Ampiasao ny fitiavana

Sy ny fampatokisan’ny mpivady



Tandremonao ny sotasota

Tezera, nefa aza manota

Raha sendra resy izy ampio

Tsarovy f’io fitiavana io



Dia mandra-maty ny voadinareo mivady......

Partager hary elatra

Commenter hary elatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LUDGER Andrianjaka