4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy farany - LUDGER Andrianjaka





         Ny zavatra hatomboka rehetra

         Dia hifarana hatreo amin’ ny fetra

         Efa fantatrao, f’izay niandoha

         Dia mbola hisy farany koa



         Ny mateza dia tsy misy firy

         Fa na misy aza, angamba dia kiry

         Ny endrika sy bika soa

         Dia samy ho simba avokoa

         Na tanjaka na hery

         Dia mihena ary koa mihavery

         Satria, raha tonga amin’ ny fetra

         Dia hifarana toy ny rehetra

        

Na ireo hira, na ny feo manga

         Tsy hisalasala fa angamba

         Rehefa lany ny tsirony mamy

         Dia ho adino indray andro any

         Hembonembona sisa hampitsetra

         Hisolo hafa toy ny rehetra

        

         Na rano mandeha eny an’ony

         Ireo voninkazo mamony

         Ny vorona, mikalokalo

         Tsy hitoetra ao, fa samy handalo

         Handao toy ny zava-drehetra

         Rehefa tonga ny andro voafetra

         Tamin’ ny andro, ny volan-tantely

         Dia hifarana tsikelikely

         Satria angamba izay niandohana

         ka tsy maintsy hifarana ihany.

        

         Mpihira : Ludger - Jeanne NaIy

        

Partager misy farany

Commenter misy farany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LUDGER Andrianjaka