4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zaho mbola tsy miova - DIDY ALFA

Fa izaho mbola tsy miova, fa mbola tia anao foana e!
Na be aza ireo mpanenjika noho Aanao zaho mbola tia
Ny foko manontolo afoiko ho Anao daholo tsy misy tambiny
Satria navotanao maimaimpoana aho, ‘zaho mbola tia

Na fefifefena aza aho mbola tia
Tsy miova ny foko sy ny fitiavako
Fa ho anao irery hatramin’izay ka ho mandrakizay
Na mafy sy mafaitra aza ny manjo
Tsy kivy tsy ketraka aho manana anao
Fiarovako, fitiavako, fiainako mandrakizay

Ny fiainanay gasy tompo ô! marary
Mijaly mosary mpihatsaravelatsihy
Manao tsindrio fa lavo sy tia tena ary miavona am-po
Mivavabava-poana ny ankamaroanay
Ka faly mitsikera ny fiainan’ny hafa
Ny vavako asandratro, toriko ho an’izay gasy zay

Partager zaho mbola tsy miova

Commenter zaho mbola tsy miova

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe DIDY ALFA