4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fantatro - DIDY Alfa

Fantatro fa ao aminao no misy

Fitiavana ambony indrindra amin’ ny fitiavana

Tsapako fa raha tsy miankina aminao

Dia ho very aho, ka tsy handova ny fiainana mandrakizay

sy tsy ho isan’ ny olonao

Tsy ho zanakao



Ref : Tsy hisy hasakana ahy hitory

      Ny fitiavanao

      Ny fiainako rehetra foiko

      Hanarahako anao



Fantatro fa ao aminao no misy

fiainana soa ombam- pahasambarana

Tsapako fa raha fa raha tsy ireo no ato amiko,

dia ho very aho,

ka tsy handova ny fiainana mandrakizay

Sy tsy ho isan’ ny olonao,

Tsy ho zanakao



Fantatro fa ao aminao no misy

Fahasoavana feno anampy pahasoavana

Tsapako fa raha tsy ireo no omenao ahy,

Dia ho very aho,

Ka tsy handova ny fiainana mandrakizay

Sy tsy ho isan’ ny olonao,

Tsy ho zanakao

Partager fantatro

Commenter fantatro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe DIDY Alfa