4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zaho mbola tia - DIDY Alfa

Lehilahy :

A. Fa zaho mbola tsy miova, fa mbola tia Anao foana e !

Na be aza ireo manenjika ahy noho Ianao, zaho mbola tia.

Ny foko manontolo, afoiko ho Anao daholo tsy misy tambiny

Satria navotanao maimaim-poana aho, zaho mbola tia.



Vehivavy : Fa zaho mbola tsy miova, fa mbola tia Anao foana e !

Na be aza ireo manenjika ahy noho Ianao, zaho mbola tia.

Ny foko manontolo, afoiko ho Anao daholo tsy misy tambiny

Satria navotanao maimaim-poana aho, zaho mbola tia.



Lehilahy :

B. Na fefifefena aza aho mbola tia, tsy miova ny foko sy ny fitiavako

Fa ho Anao irery hatramin’izay sy ho mandrakizay

Na mafy sy mafaitra aza ny manjo, tsy ho kivy tsy ketraka aho manana Anao

Fiarovako fitiavako fiainako mandrakizay.



Trio

Fa zaho mbola tsy miova, fa mbola tia Anao foana e !

Na be aza ireo manenjika ahy noho Ianao, zaho mbola tia.

Ny foko manontolo, afoiko ho Anao daholo tsy misy tambiny

Satria navotanao maimaim-poana aho, zaho mbola tia.



Lehilahy :

              Ny fiainanay gasy Tompo ô marary

Mijaly mosary mpiatsara-velatsihy

Manao tsindrio fa lavo sy tia tena ary miavona am-po



Mivava-bava-poana ny ankamaroanay

Ka faly mitsikera ny fiainan’ny hafa

Ny vavako hasandratro hotoriko ho an’izay gasy izay.



Trio : Fa zaho mbola tsy miova, fa mbola tia Anao foana e !

Na be aza ireo manenjika ahy noho Ianao, zaho mbola tia.

Ny foko manontolo, afoiko ho Anao daholo tsy misy tambiny

Satria navotanao maimaim-poana aho, zaho mbola tia.



Trio : averina in-3 :

Fa za mbola tia, za mbola tia, tsy miova mandrakizay dooria

Satria navotanao maimaim-poana aho, za mbola tia.



Averina in-4 dia tapitra :

Fiarovako fitiavako fiainako  mandrakizay Ianao

Ny vavako asandratro toriko ho an’izay gasy izay.




Partager zaho mbola tia

Commenter zaho mbola tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe DIDY Alfa