4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satry foana - DIDY Alfa

Ny famonjena efa vitany

Teo ambony hazo fijaliana

Nalatsany teo ny Rany

Mba ho avotra ho ahy sy ho anao  



Tokana sady tsy miova

Dia Jesosy irery no ahy

Na dia maro aza ireo tsy tia

‘Zaho tsy hiala aminao  



Ny fahoriana niaretany

Nefa olona tsy manan-tsiny Izy

Nafoiny hatramin’ny ainy

Mba ho avotra ho ahy sy ho anao  



Satry foana ho eo anilanao

‘Zaho matoky ny fitiavanao Jeso

Na dia sarotra ny fiainako ety

‘Zaho matoky anao Jeso

Partager satry foana

Commenter satry foana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe DIDY Alfa