4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsiaro anao - Poopy

he! tsaroana sy tadidy
izay rehetra niarahatsika
ny fahazazana ny hatanorana
tsaroana sy tadidy
ny andro rehetra nianaratsika
tsy hanao adalana , ho be fahalalana
tsaroana eto avokoa
ny faniriana sy ny vinavina mba samy ho tafita
ny namana tiana
mmh! mmh!
oh! tsaroanay e!

he! mba tsy afaka indrindra
ny sangisangy sy ny hanihany
niaraha natao , tsy nisy ny tomany
mba tsy afaka indrindra
ny tambitamby sy ny teny mamy
nifanaovatsika tsy hisy toy izany
mitamberina eto izao
ny faniriana sy ny vinavina
mba samy ho tafita
ny namana tiana
mmh! mmh!

handao anay aloha ianao anio izao
ny tenanay no tsy ho anilanao
fa ny fo sy saina mahatsiahy
ny momba anao
aza manadino anay tena tia anao

he! aza hadinonao indrindra
izay rehetra niarahatsika
rehefa tafita ianao any aoriana
aza hadinonao mihitsy
izay natao ho fifampitondrana
ny fahazazana ny hatanorana
tsara ny nifanaovatsika
tsy atakalo, tsy ho amidy vola
na ho antitra isika
na koa kana ho sola


handao anay aloha ianao anio izao
ny tenanay no tsy ho anilanao
fa ny fo sy saina mahatsiahy
ny momba anao
aza manadino anay tena tianao

he! tsaroana sy tadidy
izay rehetra niarahatsika ny
fahazazana ny hatanorana
tsaroana sy tadidy
ny andro rehetra nianaratsika
tsy hanao adalana
mmh!
tsy afaka ahy ny hanihaninao
teny mamy tsy misy toy izany
oh oh oh

Partager tsiaro anao

Commenter tsiaro anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite