4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Afenina - Poopy

Raha handeha ianao izao

Ka ilaozanao eto aho

Raha avelanao irery

Dia hangina aho tsy hiteny

Ka ny ho avy hatrehiko

Raha tsy ho eo intsony ianao

Ambom-po no asehoko

Amin’izay tsy ho fantatrao

Tsy hitamby aminao

Na mangidy aza izany

Mainka mantsy ho fantatrao

Ka izaho tsy hitomany

Ka ny hoaviko eny indrisy

Efa nopotehinao

Ho saronako ilay tsiky

Amin’izay tsy ho fantatrao



Tsy hataoko ho fantatrao

Ny ratra am-poko ao

Sao araraotinao hampijaliana ahy indray

Hataoko ho toy ny hoe

Tsy tiako intsony ianao

Hiala aminao aho sy hanadino anao



Raha ho faty ny fitia

Ka handainga ny masonao

Hamitaka ahy ny fonao

Ho an’olon-kafa indray

Amin’izay ny hoaviko

Mety ho maizina amiko

Nefa hitsiky ihany aho

Amin’izay tsy ho fantatrao.




Partager afenina

Commenter afenina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite