4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza miady - Poopy

Misomaritaka ao antsinan-trano, ao e
Misy mivolana fandranitana
Mifanavazana ao atsinanan-trano, ao e
Samy sorenan'ny fandranitana

Ny honohono sy ny hetraketraka
No mahatonga ny ady hipetraka
Toa mafy loha tsy hay tenenina, ô
Samy tsy manana fandeferana
Fa mafy hatoka, mafy sofina, lahy e
Samy milaza ho fanaperana

Ny honohono sy ny hetraketraka
No mahatonga ny ady hipetraka
Misy mihevitra ho teny marina
Ho tsy azo ampianarina

Ka ny eso mpahazo anao
Tondro-molotra atao anao adinoy
Ampandrio ny fanahinao
Ka ny soa sy ny tsara re no karohy

Misomaritaka ao antsinanan-trano
Mifanavazana ao atsinanan-trano
Aza miady e! Mifankatiava e!

Ny honohono sy ny hetraketraka
No mahatonga ny ady hipetraka
Koa ndeha hajaina ny filaminana
Sy ny fahamarinana

Anay tsy miady e!
Anay mitady e
Ny mahasoa
Ny tsara koa!

Partager aza miady

Commenter aza miady

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite