4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ambanivolo - Poopy

Mifampiantsoantso i Koto sy i Bozy
Andeha hiverina hampody indray ny omby
Ny hazavana lasa nitsipozipozy
Mamindra mailaka hamonjy indray ny toby

Làlana lavitra
Mankany ambanivohitra
Ny rivotra iainana
Madio mamelon"aina

Ny sasany efa indreo mamindro amoron'afo
Tsy misy trano moa ka lanitra no tafo
Ny ankamantatra sy ny anganoangano
Ifandimbiasana hanalana hamohamo.

Fa izay rehetra velon'aina
Mbola misy antenaina

Partager ambanivolo

Commenter ambanivolo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite