4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ahoana tokoa moa ? - Poopy

Mbola ho tia ve ny foko raha tsy ho eo intsony ianao ?
Tsy hitako ho sainina akory ny hitia olon-kafa fa tsy ianao
Hiova sy mbola hanavao, fitiavana tsy ho anao
Ka aleoko izaho no ho foana toy izay ianao, ianao

Izay rehetra naleha niarahana taminao
Mbola hiverenako ve ho an’olon-kafa indray ?
Sao lahy ahatsiahy mafy anao ka ampahory ahy ?
Ka ho maina, hangahiahy aho
Ka ho maina, hangahiahy aho akia

Mbola hovitako ve ny hilaza tsy aminao
Fitiavana be dia be noheveriko ho anao ?
Sao lany andro ampitahy aho ka hanahirana ahy
Ka ho maina, hangahiahy aho

Mbola ho tia ve ny foko raha tsy ho eo intsony ianao ?
Tsy hitako ho sainina akory ny hitia olon-kafa fa tsy ianao
Hiova sy mbola hanavao, fitiavana tsy ho anao
Ka aleoko izaho no ho foana toy izay ianao, ianao

Hangitakitaka ve ny doboky ny fo ?
Hijaly kely ihany koa ve ny ati-fanahiko ?
Raha olon-kafa tsy ianao no ho eo anilako
Manahy aho, manahy, manahy mafy aho akia
Tena mbola manahy, fa hangahiahy satria
Ho aiko ve ny anadino anao ?

Mbola ho tia ve ny foko raha tsy ho eo intsony ianao ?
Tsy hitako ho sainina akory ny hitia olon-kafa fa tsy ianao
Hiova sy mbola hanavao, fitiavana tsy ho anao
Ka aleoko izaho no ho foana toy izay ianao, ianao

Ka aleoko izaho no ho foana toy izay ianao, ianao

Partager ahoana tokoa moa ?

Commenter ahoana tokoa moa ?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite