4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izy roa ihany - Poopy

Hay moa
Na ny topimaso aza
Misy lanjany
Raha tena tia

Hay moa
Ts'isy feo nefa
Miteny ireny rehetra ireny
Raha mifankatia

Tsy misy mahalala, afa-tsy
Izy roa ihany izay ambarany
Ny hita sy ny tsapa
Manenika ny fony ilay fitia

Hay moa
Afaka manova ny aizina
Hanazava indray
Ny tsiky iray

Hay moa
Mahasitrana izay ratra
Ao am-po indraindray
Ny tsiky iray

Tsy misy mahalala
Afa-tsy izy roa ihany, zay
Ambarany
Ny hita sy ny tsapa
Manenika ny fony ilay fitia

Hafa raha samy hafa
Ts'isy teny na tafa
Fa toa lanitra hafa
No ialofan'izy ireo
Zany no tena sambatra
Mifanojo fitiavana
Ka miandrandra ny lanitra
Mba hitoetra sy haharitra, ilay fitia

Hay moa
Mety koa na tsy miteny aza
Milaza tia, rehefa tia

Hay moa
Fa ny doboky ny fony
No efa ren'ny ary ankilany

Ts'nisy mahare afa-tsy izy roa ihany
'Zay ambarany
Ny hita sy ny tsapa
Manenika ny fony ilay fitia.

Partager izy roa ihany

Commenter izy roa ihany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite