4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Gasikara - Felanamanitra

1) Tsy mety mangina raha ny alahelo an’i Gasikara

`lay tany nihaviana sy mbola hodiana rehefa any am-para

Tsy mety mangina raha ny alahelo an’i Gasikara

GASIKARA



2) Tsy mety esorina an-tsaina ny sarin’i Gasikara

Ny ombin-tsarety, ny baobab, ny ravinala

Tsy mety esorina an-tsaina ny sarin’i Gasikara

GASIKARA

Fiv : Mbola hody e ! Mbola hody e !

Mbola mitady dia mbola miady

F’indray andro any mbola ho any

Mbola hody e ! Mbola hody e !

Amin’ity taona ity toa tsy ho afaka aty

F’indray andro any mbola ho any



3) Tsy mety mangina raha ny alahelo an’i Gasikara

‘reo tranon-drazana haolo tsy misy mpikarakara

Tsy mety mangina raha ny alahelo an’i Gasikara

GASIKARA



4) Arivo isan’andro ny fikasana ry Gasikara

Hanampy ireo hava-nilaozana maro toa taratara

Arivo isan’andro ny toky ary koa ny fampanantenana

FA VITSY NO TÀNA

Fiv : Mbola hody e ! Mbola hody e ! …

Partager gasikara

Commenter gasikara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Felanamanitra