4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Velona jesoa - Felanamanitra



Maro ireo nositranin’i Jesoa

Fahajambana, habokana na koa reo reraka am-po

Nampitsangana ny maty tokoa Izy

Nampitraka ireo reraka sy kivy



Fiv: Velona Jesoa tsy miova Izy

Sitrany avokoa izay marary

Raha mino ianao sy mankato

Dia ho forany ihany koa ny fo sitraniny tokoa



Maro ireo nositranin’i Jesoa …



(Interlude) ouh ouh yeah yeah …



Tsy ny aretina ara-nofo ihany anefa

Na izay mety ho hangatahinao Azy

Fa ny fo izay maratra sy feno sento

Hovany koa ho fo vaovao tokoa



Bridge:

Meteza ho sitraniny (Meteza ho sitraniny)

Meteza ho hamboariny (Meteza ho hamboariny)

Fa tsy miova Izy (Tsy miova, tsy miova)

Tsy mivadika Izy (Tsy mivadika, tsy mivadika)



Fiv: Velona Jesoa tsy miova Izy … (bis)



Tsy ny aretina ara-nofo ihany anefa …

            Oh oh … yeah yeah …



FELANAMANITRA

Partager velona jesoa

Commenter velona jesoa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Felanamanitra