4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiako ianao jesoa - Felanamanitra

1) Tiako Ianao Jesoa tsy atakalokoF

Tiako Ianao Jesoa tsy ho soloiko

Na dia maro aza ireo misarika ahy ety

Ianao Jesoa Tompo sy Andriamanitro

     Jesoa Tompoko namindra fo tamiko

     Na dia be aza ireo heloka vitako ouh ouh

     Tsy mendrika aho tsy mendrika aho

     Ny hanonona ny Anaranao

     Ianao Tompo ô Tompo sy Andriamanitro



Fiv: Jesoa Tompoko Tsitoha

Izay namela ny heloko tokoa

Na dia diso aza aho nodioviny

Jesoa Tompoko Tsitoha

Izay namela ny heloko tokoa

Ianao Tompo ô tsy atakaloko



2) Na manintona ahy aza izao tontoko izao

Zay mitaona ahy hiala Aminao

Tano mafy aho Jesoa sakambino an-tratranao

Tsy hivily tsy hania fa hanara-dia

     Jesoa Tompoko namela ny heloko

     Na dia nania aza aho dia nofihininy

     Tsy mendrika aho tsy mendrika aho

     Ny hanonona ny Anaranao

     Ianao Tompo ô Tompo sy Andriamanitro



Fiv: Jesoa Tompoko Tsitoha … (bis)

Ianao Tompo ô tsy atakaloko yeah yeah

FELANAMANITRA

Partager tiako ianao jesoa

Commenter tiako ianao jesoa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Felanamanitra