4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ampaherezo - Felanamanitra

     Hangina aho Jesosy ô noho ny voninahitrao

     Na maro aza ireo mpanenjika ity mpanomponao

     Satria Ianao niteny hoe : « Ho halan’ny olona ianareo »

      Nohon’ny Anarako ary ho mpanompoko  (bis)



Fiv : Jesosiko Malala ô, aza avelanao hiteny aho

Fa Masina Ianao Jesosy ô, Jesosy ô !

Jesosiko Malala ô, ahy ny famaliana hoy Ianao

Ampaherezo, ampaherezo, ity mpanomponao !

Ampaherezo ity mpanomponao

Aza avela ho resin’ny fakam-panahy

Tohano tsy ho reraka aho

Tsy ho kivin’onjan-dranomasina

Fa hatoky Anao tokoa tokoa



      Hangina tokoa aho Jesôsy ô !

      Tsy hiteny na hamaly ireny enjika

     Satria tokoa fitaratra aho

      Ho tarafin’izao tontolo izao

      Mba hanehoana tokoa ny voninahitrao



Fiv : Jesosiko Malala ô ! … (bis)



Ampaherezo ity mpanomponao !


Partager ampaherezo

Commenter ampaherezo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Felanamanitra