4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andriamanitray ianao - Felanamanitra

1) Andriamanitra, Andriamanitra, Andriamanitray Ianao

Andriamanitra, Andriamanitra, Fiadananay Ianao

Jehovah Shalom no iantsoana Anao, Fiadananay Ianao

Raha mihorohoro izao rehetra izao, Fiadananay Ianao



2) Andriamanitra, Andriamanitra, Andriamanitray Ianao

Andriamanitra, Andriamanitra, Fiankinanay Ianao

Jehovah Nissi no iantsoana Anao, Fiankinanay Ianao

Raha mangozohozo izao rehetra izao, Fiankinanay Ianao



Ho hirahirainay hatrany ho ren’izao tontolo izao

Hirahira tena mamy f’Andriamanitray Ianao



3) Andriamanitra, Andriamanitra, Andriamanitray Ianao

Andriamanitra, Andriamanitra, Mpanasitrana Ianao

Jehovah Rafà no iantsoana Anao, Andriamanitray Ianao

Feno aretina izao rehetra izao, Mpanasitrana Ianao



Ho hirahirainay hatrany ho ren’izao tontolo izao

Hirahira tena mamy f’Andriamanitray Ianao



Jehovah Shalom, Jehovah Nissi, Andriamanitray Ianao

Jehovah Rafà mbola iantsoana Anao, Andriamanitray Ianao

Andriamanitra, Andriamanitra, Fiadanana Ianao

Andriamanitra, Andriamanitra, Fiankinanay Ianao

Andriamanitra, Andriamanitra, Mpanasitrana Ianao

Andriamanitra, Andriamanitra, Fiadanana, Fiankinana, Mpanasitrana Ianao



Felanamanitra

Partager andriamanitray ianao

Commenter andriamanitray ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Felanamanitra