4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tontolo iainanao - Felanamanitra

                          TONTOLO IAINANA



1- Marina tokoa fa nadio ny rivotra taloha

    Ny tontolo iainana tsy naloto tahaka izao

    Ankehitriny moa tsy lazaiko f’ efa fantatrao

    Fa mandreraka ny tontolo iainana



2- Fa mankarary an-doha fa tsy mitondra voka-tsoa

    Roasina daholo ’zay manimba ny tontolo

    Miandry anao hatrany ho tonga saina amin’izany

    Fa mandreraka ny tontolo iainana



                Fiv: Aza miandry namana

                      ’Zay ianao vao sahy handray andraikitra

                      Fa ny tontolo iainana ’zay akaikinao

                      Apetraka mba ho tantara

                      Ho an’ny dimby sy fara



3- Aza simbana kosa nefa ny kanto fa

    Hitondra soa ho anao sy ny fiainanao

    Ka mba jereo sy diniho ’lay hoavinao

    Faly sy sambatra ny ankohonanao yeah..



                 Fiv: Aza miandry ... sy fara an, an...Yeah!



Fa ny fiainana ho avy

Mino aho fa mbola ho favy e!

Ny hadalàna teo aloha

Avelao hijanona avokoa ka

Ka ny ankizy aty aoriana

Tsy hizàka fahoriana fa

Ny famotehana ny tany

Avelao hijanona any ... yeah hey!

            

                 Fiv: Aza miandry ... (bis)





                                          Felanà

Partager tontolo iainanao

Commenter tontolo iainanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Felanamanitra