4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fa fitiavana - DIDY Alfa

FA FITIAVANA



Izaho hira, izaho hidera

Hankalaza ilay Ray Tompon’ny hery rehetra

Notompoiko hatrizay



Be fitiavana loatra Izy

Miahy ireo madinika ety

Miondrika ho deraina sy hankalazaina

Ny anarany Izaho hisaotra, izaho hankalaza

Hanome voninahitra ilay tsy mahafoy



Dia Andriamanitra

Fahasoavana feno tokoa

No natolotrao ahy ilay tsitoha

Na dia tsy mendrika aza sy be siasia

Ny fianako ety  



Fiderana lehibe no asandratro  

Ho Anao r’ilay Andriamanitro

Ny tontoloko Ray            

Ny fiainako, ny fisiako

Atolotro ho Anao



Fa fitiavana no nomena ahy Ray tsitoha

Fa hery vaovao              

Mba ho fanantenana indray

Fa tiana foana anie aho tsy foinao

Partager fa fitiavana

Commenter fa fitiavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe DIDY Alfa