4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ekeo re (afi - Antsan'ny Fahazavana Itaosy)

                            EKEO RE!

  I)  Ekeo fa ny Tompo no Mpamonjy

    Mpanafaka andry sy tena toky

    Tsy tsapanao fa izy no mamaha

    Ireo olana izay mitady hamatotra

    Ekeo koa izay tena fitondrany

    Fa mahasoa anao tokoa izany

    Ho fantatrao izay tena fikasany

    Ho hitanao ny fandaharany



Ho anao izay manaiky azy ho Tompo

Aoka mba hiala @ loto

Ekeo f’aza mba misalasala

Ny fitiavany anao



     II) Ekeo fa izy irery ihany

         No lalana sy fahamarinana

         Raha sendra ka misy ny adin-tsaina

         Dia aza mba misalasala ianao

         Fa izy anie dia vonona hatrany

         Hanampy anao,hanala ny tomany

         Ekeo fa ny fiainantsika rehetra

         Dia raisiny ary tantanany



Ho anao ...........



ANDRIAMAHAZOMANANA Jaona

Partager ekeo re (afi

Commenter ekeo re (afi

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'ny Fahazavana Itaosy)