4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ray mpamindra fo (afi - Antsan'ny Fahazavana Itaosy)

Tompo Ray Tsitoha, Ianao mpiahy ny fiainanay

Ray Mpamindra fo, izay anton’ny fisianay

’Zay iainanay, e lahatra tinendrinao

Raha Ianao manda tsy misy azonay atao

Tsy misy ry Ray ny mba irinao aminay

Afa-tsy izay iainanay ny sitrakao

Saingy lavinay anatrao manoro anay

Mba ahafahanay miaina foana ny otanay



Tompo Ray Tsitoha, Ianao no Ray nahary anay

Sady mpanasoa, miaro koa efa hatrizay

’Ndrisy anefa Ray, e fantatrao izay iainanay

Takona Ianao, ny ratsy indray no tomponay



Miezaka izahay hidera anao imolotray,

F’izay ataonay dia e manda

Fomba fotsiny ihany sisa hanompoana anao

Fa ny toetranay tsy foinay ialana anie

Tompo Ray Tsitoha, Ianao mpiahy ny fiainanay

Ray Mpamindra fo, izay anton’ny fisianay

’Zay iainanay, e lahatra tinendrinao

Raha Ianao manda tsy misy azonay atao



A.F.I. (ANTSAN’NY FAHAZAVANA ITAOSY)

Partager ray mpamindra fo (afi

Commenter ray mpamindra fo (afi

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'ny Fahazavana Itaosy)