4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ifonako (afi - Antsan'ny Fahazavana Itaosy)

Ny hadisoana efa vita Tompo ô,

Na ireo ratsy indrindra izay natao

Tsy mba takona aminao, indreo efa diso fantatrao

Tena hadalana re ny ahy raha mitoetra amin’ny  ratsy foana

Fa ny voninahitrao manjary voaloton’ny otako

Raha mitodika ny lasa aho zary menatra anao

Satria aho tsy mba nahay ny namaly soa anao

Ny tsy mety foana re no hitanao hatramin’izao

’Lay feonao izay nananatra ahy toa tsy nahoako

Ry Zoky!

Trotraky ity zandrinao, e resin’ny natao

Inty mitady anao, Jesosy ô!

Fa ny vitako taloha dia neniko tokoa, ifonako ry Zoky!

Mbola averiko eto indray ny voadiko aminao

Izaho tsy hanindroa ho zandry izay hanoa

Anao be indrafo, Mifona aho



Ireo heloko nandratra anao e,

Nitondranao fijaliana Tompo ô

’Zao vao tsapako tokoa fa hay moa toa fandavako anao

Ireo tsy fantatro ho ota akory

Na izay niniana ka natao,

’Ndreo mitambatra tokoa nanjary voafantsika aminao

Raha mitodika ny lasa aho zary menatra anao

Satria aho tsy mba nahay ny namaly soa anao

Ny tsy mety foana re no hitanao hatramin’izao

’Lay feonao izay nananatra ahy toa tsy nahoako ry Zoky!

Trotraky ity zandrinao, e resin’ny natao

Inty mitady anao, Jesosy ô!

Fa ny vitako taloha dia neniko tokoa, ifonako ry Zoky!

Mbola averiko eto indray ny voadiko aminao

Izaho tsy hanindroa ho zandry izay hanoa

Anao be indrafo, Mifona aho

Partager ifonako (afi

Commenter ifonako (afi

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'ny Fahazavana Itaosy)