4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manantena fandresena (afi - Antsan'ny Fahazavana Itaosy)

Mila ho kivy ny tena sy fanahy Tompo ô,

Kanefa kosa manantena fandresena Tompo ô.

Njay re manako ato anaty, mamelombelona fanahy

Ny teninao, ô ry Tomponay Tsitoha



Mino aho, manantena fandresena Tompo ô,

Satria Ianao no mitantana ny diako Tompo ô,

Tsy mba ho kivy intsony aho fa hitraka aho Jeso,

Satria Ianao no mitantana ahy Jeso.



’Zay rehetra ho avy antenaiko mbola apetrako aminao

Ka tsy manahy aho, tsy ho kivy intsony Tompoko Jeso

Tariho làlana izahay, ka hazavao koa ny sainay

Mba hanarahanay anao ry Tompo ô.



Mino aho, manantena fandresena Tompo ô,

Satria Ianao no mitantana ny diako Tompo ô,

Tsy mba ho kivy intsony aho fa hitraka aho Jeso,

Satria Ianao mitantana ahy Jeso.

A.F.I. (ANTSAN’NY FAHAZAVANA ITAOSY)

Partager manantena fandresena (afi

Commenter manantena fandresena (afi

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'ny Fahazavana Itaosy)