4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Any am-parany any (afi - Antsan'ny Fahazavana Itaosy)

             ANY AM-PARANY ANY

   Any am-parany any e! Isika rehetra izao

   Samy hotsaraina noho ireo natao

   Hiavaka tokoa e! ireo nino ny teny

   Sady nankato e! ny efa reny

            Ho antsika toa variana ,fifalian’ny tany

            Sao tratra aorina raha handroso ihany

            Eto isika mantsy e! no omem-potoana

            Hiala @ ratsy izay namatotra

  Any am-parany any e! tsy mba hisy intsony

  Olona hilaza hoe tsy nitoriana

  Fa ny tompo mihintsy e! no efa nanambara

  Hotoriana aloha vao izay no farany

           Ho antsika........................................

  Any am-parany any e! eny andrahon’eny

  Eny izy Tompo no hiseho indray

  Ho avy mba hitsena e! ireo zay mino azy

  Fa handà imaso zay minia tsy handre

          Ho fiainam-pifaliana ny an’izay nandresy

          Hiram-pihobiana re manako izany

          Ireo tsy nino kosa kikam-pijaliana

          Ranomaso foana nohon’ny nenina





A.Edson Josoa

  

  

Partager any am-parany any (afi

Commenter any am-parany any (afi

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'ny Fahazavana Itaosy)