4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zafindratapaka sy ikotondrakikina - -- Mbola tsy fantatra --

Mandondona Razafindratapaka e

Arahin’ilay tsikin’ny Kotondrakikina izy e



Ndreo ry zareo manorisory ndreo ry zareo



Nokisikisinany ny eran’ny trano

Lasa lavanty ny entam-bavety

                       Ndreo ry zareo!



Kirizy krizy ny ato antonka-trano

Mijery an-drafotsy aza dia efa mahakamo

              Oh, mampalahelo



Mampalahelo tokoa re izao mampalahelo

Mampivavabavaka sy maha-te hangalatra

    Zafindratapaka  kotondrakikina ndehana amizay



Io izao le-kikina dia mambosibosy

Mivarotra akanjo dia ndehana mi-trosa

              Ndreo ry zareo



Le-tapaka amizany mandrisika ankizy

Zaza tsy ampy taona no amidy toa fripy

        Ndreo ry zareo



Mandratra fon’akizy ary izao no mahita

Z’iro  olon-dehibe miady taolam-pifika





Oay ty mba lova ô

Oay ty lova be napetrak’izy mivady

fahantrana midadasika tsy vita  tora-tady





Ref:mapalahelo…



Tonga e,mamangy antsika firenena Malagasy

Razafindratapaka sy Ikotondrakikina

             Ndreo ry zareo



Nofenofenoiny e,nofenoiny fety ny calendrier

Dia ireo fankalazana ny andron’ny kere

          Ndreo ry zareo



Zany ka zany ka tena fahantrana

Indraindray ankanjo mena,indraidray miankanjo mavo

           Ndreo ry zareo



Kely finoana aho raha toa ka milaza

Mbola hisy fandrosoana ve i Madagasikara.

             Mampalahelo

Partager zafindratapaka sy ikotondrakikina

Commenter zafindratapaka sy ikotondrakikina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe -- Mbola tsy fantatra --