4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tandrinesanao zaho - -- Mbola tsy fantatra --

Lany fanahy zaho fa mahia

Lasa eritreitra e

Ny mahita anao tsy mahatsiaro

Ny adidy maro miambina anao



Karama zara misy tavela

Mody antanana

Donko anao mamemlon-tsakeza

Ka manadino ny vady ato antrano



Manino moa raha tsy tia mavandy

Manendrikendrika e

Ataona zaho tsy manam-panahy

Anarinao isanandro isanandro



Donko enao nahita ny hafa

Ka mila tsora

Fombambiavy manafin-kilema

Ka manaratsy ny tsara atao azy



oooo

Tandrinesanao zaho

Rendrarendra tsy ialana antrano



Ny olontsara tsy vady

Tsongontiana tsy amelonjaza

Tiavo ny antena soa izy

kakazontolana



randrambao mahatetry

nefa mbola mora vahana

ny ela mahazatra ahy

mahatamana maharitra e



Vadiana tsy ho vao lalandava

fa mba mandreraka ee

Ny zaza anefa tsy ahita hasambarana

izy koa tsy anilan’i baba sy neny



Amboaro tsara fo sy fanahy

tsy hovaosarika eee

tsy ho resin’ny fakam-panahy

zay milahandrava ny fitiavantsika



ooo

tandrinesanao zaho

rendrarendra tsy alana antrano



mizara ny tsara sy ratsy,

iray fo ny mpifankatia

tomoera ... zalahy

fa tsara korana

Sendra zaho malahelo

mba maheza manambitamby

ary itiavako anao

ampodiana matetika e



...



hizara ny tsara sy ratsy

hiray fo ny mpifankatia

ary itiavako anao

ampodiana matetika ee!

Partager tandrinesanao zaho

Commenter tandrinesanao zaho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe -- Mbola tsy fantatra --