4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiova fo - -- Mbola tsy fantatra --

Ny eo anilanao ry Ray no mahafinaritra ahy

Ny akaikinao no safidiko

Fa fitiavana tsy manam-petra a

No natolotrao, no natolotrao ho anay rehetra



Ray malala ô! Omeo fo madio

Hanarahako hatrany hatrany ireo teninao

Diovy aho manomboka izao

Hanantanteraka ny didinao



Sambatra aho anie ry Ray manana Anao

Ray mpamindra fo, tretrika tokoa

Tena sambatra, sambatra izahay

Fa Ianao ry Ray, fa Ianao ry Ray

No mampiray anay



Tena hiova anie aho ry Ray

Hanaraka Anao

Hiova tokoa ho olo-mbaovao

Koa avelao ireo otako

Mba tantanonao, mba tantanonao ny diako



Ray malala ô

Partager hiova fo

Commenter hiova fo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe -- Mbola tsy fantatra --