4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia - -- Mbola tsy fantatra --

Raha toa ny fitia ka hirahira,

Dia aleoko hamoron-kira koa

Raha toa ny fitia ka vavaka,

Ho deraiko ANDRIAMANITRA.



Raha toa ny fitia ka adalana,

Aleoko any am-pigadrana,

Meloka eo anoloan’ny fitsarana,

Sazy miantona tsisy fiafarana.



Fiv:Tiavo aho hatrany ankoatra,

Ny fontsika hiaraka hivoatra

Zay ela indrindra raha azo atao,

Hisakaiza tsika sy ianao.



Raha toa ny fitia ka fanambadiana,

Tsy misy afa tsy fiterahana,

Satry izy hitovy aminao,

Sy hitovy amiko koa.



Fiv:Tiavo aho hatrany ankoatra,

Ny fontsika hiaraka hivoatra

Zay ela indrindra raha azo atao,

Hisakaiza tsika sy ianao.







Raha toa ny fitia ka toy ny ady,

Hiezaka aho mba ho be sandry,

Hifanandrina @ndry zalahy,

Ho babo sy voafatotra;



Fiv:Tiavo aho mandrakizay,

Amin’ny fo saina fanahy,

Raha sitrakao tiavo aho,

Mandritry ny androm-piainanao.

Fa raha ny fitia no enti-mitia

Dia azonao tiavina aho.

Partager fitia

Commenter fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe -- Mbola tsy fantatra --