4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mba omeo - -- Mbola tsy fantatra --

Mijalijaly tokoa izahay ankehitriny

Toa hazo kely voataingim-borombe iny

Tapatapaka mifolaka avy hatrany voatsindry taona maron\\’ireo zoky be vinany

Fa ny fiainantsika tsy vitan\\’ny mozika

Na dia efa ela koa no mba nikaroka ny soa

Ahoana re ny hoavinay tanora ankehitriny

No tsy jerena fa natakalo ireo vahiny

Tena lasalasany avokoa rehefa mety ho tombotsoa

Mivalampatra tanteraka ny karana sy sinoa

Tsy tompon-tany nefa \\\"à l\\’aise \\\"avy hatrany

Misy aza sahy manambanimbany

Lazaina fa Ra-miss Caledo no mpanotra

Nefa izy leo ny fijaliany tafahoatra

Kely loatra ny karaman-dRay aman-dReny

ka voatery mihetsika izy ireny

        réf: Ny tsy manana mba omeo e!

             Ny tsy ampy re mba vonjeo an!

             Ny tsy tafakatra mba omeo e!

             Ny kamboty re mba jereo an!

Aiza ho aiza no anjara sombin-tany

Hamokarana sy mba mety hiafarany

Ny vahiny no toa hita toa matavy

Ahoana ary ny hoavinay aty aoriana

No odiana fanina no koa mbola kiviana

Mangozohozo toekarem-pirenena

Tapitra nahodikodin\\’ireo efa Ratrema

Dia tsy maintsy izao foana ve no hoentinay aman-taona

Lavalava be

Sasatra mivazavaza sy mihira

Ny trano kely iray aza anefa tsy mba souvenir

diplômasia no ilazana fa miaraka, mankarary fo

Resa-be tsy maha mpianaka

Vava fotsiny no amitahana vahoaka

Potika ny firenena tsy mety tafavoaka

          réf: Nytsy manana mba omeo e!

               Ny kamboty re mba vonjeo an!

               Nymahantra ho\\’aho mba omeo e!

               Ny tsy tafakatra mba vonjeo an!



Mba mieritrereta ry zoky be loha

Sao taitra eo ny akanga maro tsy vakin\\’amboa

Mba karakarao haingana ny tanàna fa aza avela ho lasan\\’ny sinoa sy karana

Malagasy milaza ho hendry tsara

Ny vahoaka rehetra miandry izay ho anjara

Zanahary manome ny tany hoan\\’ny Malagasy tsy an-kanavaka izany e!

Dia mba omeo na ny avy ny atsimo na ny avy any avaratra

Atsinanana,andrefana koa mba omeo,mba omeo,mba vonjeo,mba jereo

Aza doranao re ny gady mahantra

Fa mba tsinjovy e ny ady tsy omby tratra

Doro atidoha , adaboy fa tsy soa

Mpiray tanindrazana hasoavina mialoha

Avia,avia isika handeha,fa tsy fiainana ny mafy ady lava aty re

Avia,avia isika ho any e! hitaditady ny marina hatrany ho\\’aho

            réf:Ny tsy manana mba omeo e!

                Ny tsy ampy re, ny havanareo an!

                Ireo mosarena mba vonjeo e!

                Ireo tena mahonena mba omeo an!

    

            Tonony sy Feony:E. Ramanarivo      

Partager mba omeo

Commenter mba omeo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe -- Mbola tsy fantatra --