4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miseho tele - Landy

Raha vao miseho télé ianao tsy maintsy tratry ny hoe

E! e! henoy ange!

Toa olom-pantatrao daholo ny eny an-dalambe

E! e! henoy ange!

Na mbola zaza bodo izany na efa dadabe

E! e ! henoy ange! (in2)

Ianao ’lay hitanay niseho tele!



Izany ange no mahatonga anay tsy mba hierikerika

Tsy miavona izahay, fa menatra izahay

Izany ange no mahatonga anay hanafinafin’endrika

Miampifipify lava no ataonay.



Tsy maintsy tratry izao ianao raha vao miseho tele

E! e! henoy ange!

Na eny ambony bus ianao na akaikina lycée

E! e! henoy ange!

Sakaiza mpiara-miasa, olom-pantatra elabe

E! e! henoy ange!(in2)

Ianao ’lay hitanay niseho tele!



Fa misy hafa kosa amin’ireo miseho tele

E! e! henoy ange!

Tsy miandry ny mpitazana izy fa izy indray no hoe

E! e! henoy ange!

Mideradera ery fa hoe efa vedety be

E! e! henoy ange! (in2)

Izaho ’lay hitanao niseho tele !


Partager miseho tele

Commenter miseho tele

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Landy