4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny hafaliana - Landy

Sol   Ny hafaliana misy izay hiainanao

       No ahitana tsiky misoritra aminao

       Fa fitiavan-tena 'zany hafaliana izany

       Rahatoa tsy ho zaraina fa ho anao ihany  D.C.



      $

Re  Diboka hafaliana angamba ianao

      Hafa noho ny hafa ny andro anio

      Satria ny faniriana anatinao

      No indro fa miseho an-tavanao

      Ka tojo fifaliana fa sendra olon-tiana

      Ka tojo fifaliana fa sendra olon-tiana    D.$.



Sol  Koa rah' ny hafaliana no lazaina

      Sahiko miteny tsotr' izao

      Ny fifaliako feno, ampy ho zaraina

      Tsy tiako ho ahy irery fa tena ho anao

      Ny fifaliako feno, ampy ho zaraina

      Tsy tiako ho ahy irery fa tena ho anao



      Fa tena ho anao, fa tena ho anao .





       . Mpihira : Landy

       . Feony sy tonony : Noël Rakotoarivony

Partager ny hafaliana

Commenter ny hafaliana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Landy