4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bao sy soa - LISY sy LANDY

Bao a ! Soa a ! Andao aky

Mazava atsinanana izany andro

Sao tratry ny daniky ny hain’andro

Manevokevoka ity masoandro (indroa)

Bao a ! Soa a ! Faingana aky



Dieny mbola malefaka ny hafanana o !

Saro-javona kely izao ny tànana o !

Misy ando madinika hosavaina

Bao a ! Soa a ! Herezo aky, herezo aky e !



Misikina herim-po mba ho tsara tohana

Hanala ny rano ’zay hirobohana

Kanefa ny tsara izao hiantombohana

Atsy ho atsy hipatraka ny hatsembohana o !

Bao a ! Soa a ! Soava dia, soava dia re !

Partager bao sy soa

Commenter bao sy soa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LISY sy LANDY