4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Savolaina - Ifanihy

Mifohaza akia f’efa maraina

Ity ny kafe sy ny dipaina

Ialako tsiny tsy nahandry

Fa namoha mandry

Dia mazotoa bon appetit

Ny anjarako homeko an-dry

Satria rehefa voky ianao

Dia mandrezatra aho



Dia arahabaina aloha bien sûr

Fa samy velon’aina ato am-pandriana

Fa tena henjana tokoa

Ilay alin-tsika roa

Fitiavana mahery vaika

Ny ondana aza nikaikaika

Ny kidoro tsy hay intsony

Fa ambany ambony



Dia ao fa hohamanako rano

Fa aza dia manganohano

Tsy tiako ianao madisadisa

Fa sao dia mila kisa

Rahariva indray manao cuisine

Rahampitso koa tsy maninona

F’ity aloha ny borosy

Raha ho any amin’ny douche



Ary ao izato izy mampiadan-tena

Fa aleo izaho no handeha hiantsena

No sady hanokona nahandro

Androany atoandro

Matsirotsiro sa rondrony

No azokazon’ny vavony

Ketsaketsa sa maimaina

No mampody aina



Tsy hohadinoiko sanatria

Ny any amin’ny farmasia

Na ohatrinona na ohatrinona

Ny polyvitamine

Avy eo indray aho dia hizotra

Mba haka an-dramatoa mpanotra

Hanome hery vaovao ny hozatrao



Ataoko izany rehetra izany

Satria dia tsinjotsijoko ihany

Fa mbola ho henjana zavavy o!

Ny alintsika ho avy

Mahery vaika ilay fitia

Fa lanja miakatra io chérie

K’aleo ho raisina ny fepetra

Rehetra rehetra

Partager savolaina

Commenter savolaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ifanihy