4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Baranjely - Ifanihy

Tantine Kiki rehefa mivoaka manao bazary

Dia sanatria izay hividy laoka sy hividy vary

Fa ny sakafo mba masaka an-tsainy dia tokana ihany

Dia ny baranjely baranjely ihany baranjely hatrany

Tantine kiki rehefa mividy dia singany iray

Mailaka ery manao ny safidy sy ny inty sy inday

Toy ny tsy teo dia efa any an-tsakelika ilay hanimpy

Dia mody tsy taitra tsy maika tsy pelika handray taxi

Tantine Kiki zao vao tonga any an-trano dia ny hisakafo

Tsy mila vilia tsy matsaka rano tsy mandrehitra afo

Ny trano no hidiany fa izy raha mihinana tsy mba mizara

Tsy mandray vahiny fa hisalobon-komana ao am-parafara

Tantine Kiki dia tsy mba manasa hijerijery

Na hiantso hoe avia tsimpony ny latsaka hano ny very

F’ilay baranjely dia efa OK sy antonona tsara

Ka manjary kely raha io indray no hoe mbola hizarazara

Tantine Kiki dia bangaridana tsy am-bodiakohoo

tsy hita izy ity fa ny azy vitainy amin’ny molotra roa

Vao teo am-bavany ilay baranjely dia tsy hita popoka

fa dada ka dadany rakalakely raha hanao telimoka

Tantine kiki dia tsy mba manao regime akondro

Satria ny ranjalia majinika loatra fa toy ny fanondro

Marina moa fa ny betaimparasy dia ngeza sy mamy

fa ny baranjely baranjely ihany, baranjely hatrany!

Tantine kiki dia ifanotofana fa sipa favy

Toa ody fitia, toa satry iankohofan’ireo matim-bavy

Fa izay mikaoty dia tsisy maharitra fa miala pas

fa voabaotibaoty tary amin’ny faritra mahalehilahy

Tantine kiki dia efa niteny tsy hanambady intsony

Fa hoe Ifanihy no hany mba tiany sy mamin’ny fony

izaho indray aky tsy azo ianteherana velively

Izaho angaha indry no ’ndeha ho lerana baranjely

Partager baranjely

Commenter baranjely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ifanihy