4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ikala dauphine - Ifanihy

O ry Kala Dauphine é!

Angamba tsy dia maninona ho’aho raha misarisary vazaha,

Rehefa leo ny tety an-tsaha (2)



Ny fahazarana amin’ny paraky

Hikisahantsika malaky,

Fa manjary masiaka be ny mamy kely

Fa tsy mba toa ny tantely,

Biz mampandraiky manavy avelao any fa tsy favy,

Fa ny biz moderne amin’izao fotoana

Efa manitra siligaoma,

Ny kisoa hitadiavo kila ho’aho

Hifindrantsika any amin’ny ville

Amin’izay dia ho dila lavitra antsika

Ny parasy lafrika,

Felantanatsika mivady dia maniry kitro ny angady

Ka ny safosafo natolotro an-dry dia toa hoditra letchi.

Dauphine a ça va!

Dauphine é ok!

Dauphine o iô!

Dauphine i ah oui!



Réf:



Ny mankirana sy ny alamo

Tsara ihany fa mahakamo

Fa mampiasa azy daholo rehefa tatsaha,

Ka aleoko déodorant!

Efa hita ny vahaolana

Rehefa tonga ny fadi-bolana,

Hosolona valonan-damba velours

Ilay salaka nofon-jozoro.

Dila hatreo ny ladina an-tany

Sy fitia fa ho any fa ho any,

Hisonanika isika ery am-parafara

Hanamboatra dimby sy fara

Tsy hoataontsika tera-bitro

Fa aleo mitsinjo ny ampitso,

Sanatria ho maro lahy hisotro dromelina

na hanangona makorela,



Ref:

Ô ry Kala Dauphine é! angamba tsy dia maninona ho’aho raha hisarisary vazaha saingy ity ho’aho no raharaha.



Sanatria isika tanavo dia hihosotra tany ravo

Ka handeha holokoina ihany koa ny tarehy

Mba hofotsy boboka be!

Dia hodedaka hitao-biriky tsy amin’alana na sobiky

Avy hatrany direct an-doloho handokona ny volon-doha.

Tsy nandingana lakilasy d tsy hiseho tsy hiteny gasy

Hisambodika ambony ambany ilay teny,

Ka hiafara amin’ny ompa reny.

Dia tsy hihinana vary intsony

Fa vazaha hatramin’ny vavony,

Dia hitovy tsy misy valaka aki

ny amin’ny pot sy amin’ny lovia.



Dauphine a ça va pas!

Dauphine ô sefo ô!

Dauphine a ça va pas!

Dauphine ô sefo ô!






Partager ikala dauphine

Commenter ikala dauphine

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ifanihy