4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ranenitoa - Ifanihy

              Ranenitoa

Ranenitoa o, miangavy an-tanan-droa

Aok’isika hiandahy hiambavy

F’aza ilaozanareo mamosavy

    Hohatevenina ny fiambenana

    Hanjakan’ny fandriam-pahalemana

    Hianareo no sisa andrasana

    K’aza ilaozana manitsa-pasana

    Dia ho hatao haza lambo

    Ireo mpangalatra loza amin’atambo

    Hiambozony, sakeleo

    Ireo odigasinareo



Ranenitoa o, ka raha tonga ny tokoa tokoa

Ka hanafika ireo jiolahy

Izao no paika fa aza manahy

    Ho ampirimina aloha ny kiriorioka

    Vorondolo no asaina misioka

    Ireo kary sy ireo saka

    No ampiadiana atsy anaty fataka

    Feo kentsona ombieny

    Ombam-parahehy lavareny

    No hitsenana azy voalohany

    Fa hiorina ny hodi-dohany



Ranenitoa o, ka raha mbola miseho ho mafy loha

Dia anaovy kilalao ratsy

Mody ataovy toy ny olona efa maty

    Ampandrio amin’ny tany ampandrio

    Hiankohofy, hitomanio

    Eo an-tratrany amin’izany

    Mody asio voninkazo vinany

    Rehefa sasak’alim-be

    Dia mody hisotrona kafe

    Rehefa voky isika, rehefa laony

    Dia ventesina ny zafindraony



Ranenitoa o, na dia izany aza mail ihany aloha

Izay rehetra any am-paosiny esory

Ndrao manafina voanjobory

    Na penitra na lampe de poche i

    Na fonoka na big boss i

    Azafady esoriny eny aminy

    Raha tsy izany dia asavo hohaniny

    Raha mitady ny hamaly

    Taingeno ataovy soavaly

    Hilokana aloha, inona no olana

    Mba manao PMU maizim-bolana

Partager ranenitoa

Commenter ranenitoa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ifanihy