4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ody fitia (2) - Ifanihy

Haody Ranokombe o…

Sady miarahaba

Ialako tsiny re…

Raha dia manabataba

Tonga maraindraina aho

Fa tsy nipizin-tory

Tsy nihinana fa nalaina

Tsy nahatsindry tsihy akory (2)



Tsy matiko lolo o…

Ilay ody fitia

Ilay resaka singam-bolo

Poa ! Poa ! aok’etsy

Tahaka ny tsy madio

Ohatran’ny mampanahy

Raha hifoteran’io

Ahita raharaha (2)



Toa azoko sary an-tsaina o…o…o…

Izaho sy ilay bera

Sonenika tra-maraina e…e…e…

Eny amin’ny simetiera

Tratran’ny iray tanàna

Dia any amin’ny violon

Dia tsy avelany alàna

Ny “complet marron”



Dia hoa avy ny mpaka sary o…o…o…

Afaka vetivety

Eo fa hanaha vary e…e…e…

Hiseho an-gazety

Hoe indro tovolahy

Nanjary mpamosavy

Voatana eny Tsiafaha

Fa diso matim-bavy (2)



Aoka Ranokombe o…

Mifona aho fa aoka ihany

Dia mionera be

Izay fotoana lany

Ny ahy indray ny olo-tiako

Tsy asiako amin’io

Fa aleo ho kaotiko

Amin’ny fo madio (2)



Rehefa tsy mahazaka o…

Dia manaja tena

Mitady olon-kafa

F’izay no fahendrena

Fa raha hisary adala

Hikiky tapa-kazo

Aleo aho hiala

Mandàna mahazo (2)



Fantatro fa tsy faly o…

Ianao Ranokombe ô

Izaho koa tsy te hijaly e…

Any amin’ny afobe

Aleoko miandrandra

Izay tendrin-janahary

Fa natao ho an’ny nandra

Ny ody tsy manjary



Akiniko amin’ny Avo o…

Ny fitiavako manontolo

Izaho tsy hivarilavo e…

Amin’izay singam-bolo

K’aza omena tsiny aho

Raha ody fitia…

Aleo aho ho virijiny…

Mandrak’izay doria…(2)

Partager ody fitia (2)

Commenter ody fitia (2)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ifanihy