4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Inay aho mpiasan'ny voirie - Ifanihy



Etsy kely ange ô ramatoa Rangory ô…

Fa dia nahoana iky no ety…

Ambava-paompy no manasa lamba

Nefa anie akaiky ny bassin

Raha tany ity ka bina na maloto

Dia mitenena marina lahy…

Raha misy tahak’izany



Aoka etsy f’aza sendoatra ambony ihany ô…

Fa mba meteza kely aloha hijery ireto daba zavotany

Manoatra no ireo mpilahatra

Manenika ny toby mpamatsiana

Koa azafady, mbesora hoy aho

Fa maika ny havanao



Inay aho ry lahy mpiasan’ny voirie

Hitana ny kile

Hanapaka ny paompy

Fa ho entiko amin’ilay fanaovana azy

Dia vita samy rava

Koa na hiverina eny an-doharano aza

Tsy ahoako





Mbay làlana aho ramose lehilahy ô…

Rehefa te hisaika ianao

Dia mikidaobaka eny an-drenirano

F’efa norohasinay nankeny

Ireo gisa sy ny gana mpandro teto

Koa mandehana

Paopy ity rahalahy fa tsy dobo fandroana



Avy etsy mikisà rankizy be lalao ô…

Fa angaha io biberao

No ataon’ialahy isany ohatran’io

Koa dien’izao mandeha miparitàha

Izay azoko minono farany eo

Dia ho ampandroiko marina tsy…

Laingako hany izany…





Inay aho ry lahy mpiasan’ny voirie

Hitana ny kile

Hanapaka ny paompy

Fa ho entiko amin’ilay fanaovana azy

Dia vita samy rava

Koa na hiverina eny an-doharano aza

Tsy ahoako

Partager inay aho mpiasan'ny voirie

Commenter inay aho mpiasan'ny voirie

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ifanihy