4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Resabe - Poopy

Samy tsara resaka ny etsy sy eroa
Samy te ho zavatra tsy manam-paharoa
Manambitamby ary ny mambabo fo
Hainy tsara, hainy tokoa
Hainy ny mandambolambo,
Hainy ny miteny
Raha tsy mahalala ianao
Dia voan'ny hafetseny
Avy eo imaso izy tsara fanekena
Avy eo ivoho, ratsy fiteny

Aminay, aminay aty
Tsy ny resaka no atao be
Ny atao, ny atao no hita
Io no atao tsara,
Izay no izy !

Tsy mba ho be resaka
Ary tsy ho be kabary
F'aleo manankim-piainana
Amin-janahary
Tsy fahalemena ny tsy fitenenana
Tsy mitovy fiheverana

Samy tsara resaka ny etsy sy eroa
Samy te ho zavatra tsy manam-paharoa
Manambitamby ary ny mambabo fo
Hainy tsara, hainy tokoa

Aminay, aminay aty
Tsy ny resaka no atao be
Ny atao, ny atao no hita
Io no atao tsara,
Izay no izy !

Partager resabe

Commenter resabe

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite