4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sedra - Poopy

Efa ela ihany izay
Ny fotoana niarahana
Nifanaiky izaho sy ianao
Tsisy ny fisarahana
Dia ny volana nihodina
Nanome toky ny hifankatia
Ho toy ny lamban'akoho ny fiarahana
Faty no fisarahana

Dia samy novolavolain'ny fiainana teny isika
Dia samy nandalo sedra niharitra ny mafy
Asa raha ny aminao fa mbola manantena aho
Ho matotra ho mafy ny fatotra

Taty aoriana indray
Nisy kapoka nahamay
Nisetrasetra ianao
Mba nihanjona koa aho
Ka ny tady nihenjana
Tsisy nety niresaka
Dia navalona teo lay ho doria
Nolotoin'ilay fitia

Dia samy novolavolain'ny fiainana teny isika
Dia samy nandalo sedra nizaka fijaliana
Tsy resy anefa aho
Mbola mijoro koa ianao
Samy vonon-kisedra ny ho avy iseho indray

Tsy resy anefa aho, asa raha mbola hijoro koa ianao
Samy vonon-kisedra ny ho avy iseho indray
Samy vonon-kisedra ny ho avy iseho indray

Partager sedra

Commenter sedra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite