4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mandra-pihaona - Poopy

Ny andro moa hariva

Ny masoandro aza efa tolaka

Eny marina satry foana hiara-hilanona

Antenaina fa tsy ho sorisory ny hisarahana

Hirariana koa mba ho soa ny fahatsiarovanao anay

ka izay fotoana niarahana

hitoetra lalandava ao am-ponay



Ka mandra-pihaona indray

Mandra-pihaona vetivety

Eny na satrinay mbola hitohy foana ny fety

Eny veloma indray ka manantena mbola hihaona

Hiaraka eto indray

Eny veloma mandra-pihaona



oh, oh, oh

oh, oh oh oh,

oh,  oh oh



Saotra sesehena sy mitafotafo no atolotray

Tsy hadino anie ny fitiavanao

Ka dia isaoranay

Fa ny soa atao levenam-bola

Tsy hanenena a

Ilay Ray ao ambony ao

Hamaly soa anao amin’ny fiananao

Ka izay fotoana niharana

Hitoetra foana ao am-ponay



Mandra-pihaona indray ...






Partager mandra-pihaona

Commenter mandra-pihaona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite