4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lavitra azy - Poopy

                                                 LAVITRA   AZY
   
       Raha mandeha mankany ka mahita an'azy
       Mba ilazao hono izy
       Fa malahelo an'azy izaho
       Aty an-tany lavitra aty
       Tsy mety mahita tory fa ny eritreriny mandindona
         Fa toa sarisary mitamberina no fahatsiarovana

         Mila ho lasa adala toa mamanala
         Reny fa tsy feno ny androm-piainany
         Verivery saina lava toa manirery izy
          Fa any andro iray mbola hifankahita
          Hamerina indray ilay fiarahantsika
          tsy hisy intsony ny alahelo sy ny tomany

          Inty misy sary an-kiray
          Mba omeo an'azy ho solotenany aty
          Mba jerijereo matetika 'lay izy
          Raha sendra misy maka fanahy
          Izy no hampatsiahy
          Fa alavitra any misy miandry anao
          Tsy mba manadino
            Izy mbola mino
            Fa tena tia anao
                                                      

Partager lavitra azy

Commenter lavitra azy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite