4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kamo - Poopy

Loza fa tsisy fetrany io hakamoanao io
Loza fa amboletra ny fivelomanao
Ny tontolo misy anao indray
No omenao tsiny raha mahantra ianao io
Tena loza fa ny fisainanao no manambany anao

   Tsy heverinao akory ny hiezaka
   Efa masaka ao an-doha ny mitofezaka
   F'efa mety hoy ianao
   Misolelaka isan'andro vaky izao
   K'inona indray!

Loza fa toa tsy tsapanao ny tsy fitiavana anao
Tena loza fa hay raha be hono 'ty mba mampihavana
Dia baikon'ny habadoana ka lasa boton'ny be basy ianao
Tena resin'ny hakamoana tsy mahababo intsony ny ratsy

   Tsy heverinao akory...

   Zatra loatra nomena
   Mamitaka ny tena
   Miandry ny ho toloram-potsiny

Loza fa mety aminao ny tondro molotra
Mahagaga fa tena zakanao ny tondro molotra
Ny hakamoanao io indrindra no anararaotiny amin'izany
Hanomanany anao indray, handadizanao @ tany

   Tsy heverinao akory...

   Zatra loatra nomena...

Partager kamo

Commenter kamo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite