4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satria ( efa fantatrao) - Bodo

Efa fantatrao angamba (2)

Fa ny fahitako anao

Nampitombo lanja ny heriko

Fa ilay fitsikinao

Nampikombona ny feriko

Fa ny diam-peninao

Nahababo ny fijeriko

Fa ny tononkalonao

Zary lasa tsianjeriko



Efa fantatrao angamba (2)

Fa ny teny maminao

No tahiry tsy mba veriko

Fa ny andinim-piainanao

Raikitra ho misiteriko



Satria tiako

Tia ahy ianao

Ka ny aminao rehetra

Zava-tsaro-bidy ho ahy

Satria koa

Tia ahy ianao

Dia nisy hery izay nametra

Sy nitantana fanahy



Fa ny foko manontolo

No efa voakolokolo

Hamoa fitia ho anao daholo (2)

Fantatrao hatramin'izao

Fa ianao, ianao ihany

No hany tokako eto an-tany

Partager satria ( efa fantatrao)

Commenter satria ( efa fantatrao)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite