4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ambarambarao - Bodo

Ambaramabarao amin'ny dada

Ambaramabarao amin'ny neny

ny hafalianao

Lazaolazao an'i kaky ,Lazaolazao an'i neny

ny alahelonao



Tsy zaka irery, ny fiainana

Ianao anie, zanaka tiana



Ambaramabarao amin'ny dada

Ambaramabarao amin'ny neny

Fa tia ianao

Lazaolazao an'i kaky,Lazaolazao an'i neny

ny alahelony ao



Fa izy anie, nandao anao.

Nandratra ka,saro-sitranina

Avia re sombinaiko, an-tratrako

F'omeko anao ny hery rehetra ananako



Tambitamby avy @dada

Tambitamby avy @neny

no iononanao

Fitiavana tsy arahan-datsa

Fitiavana tsy arahin-teny

No nitokianao.

Ka nanome,fiononana

Aza tomany,fa tsy irery ianao.



Avia re sombinaiko, an-tratrako

F'omeko anao ny hery rehetra ananako

Tsy zaka irery, ny fiainana

Ianao anie, zanaka tiana

Partager ambarambarao

Commenter ambarambarao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite