4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anjelinao - Bodo

Toa fanaperana aho hoy ianao
Fa toa anjely aho imasonao
Tsy izaho no tsara fa ny fitiavanao
Tsy izaho no anjely fa ianao
Sy ny fonao tia
       Meva fitafy aho voalazanao
       Voatenona tsara sy vaovao
       Fitafy tsara raha ny fitiavanao
       Voatenona tsara ny toky izay
       Nomenao ahy
Manan-danja aho eo aminao
Izaho no mpanjaka hoy ianao
Zinona izao rehetra izao
Satria izao no ao am-ponao
Izay aleha toa misy anao
Na ny mosika aza hira ho anao
Ny eritreritro any aminao
Satria ianao no ao am-poko ao

Partager anjelinao

Commenter anjelinao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite