4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Babonao - Bodo

Dia babonao hatram'izao
ity foko maditra
ka mitsiriritra.
Voafolakao
ka dia sahy mitalaho.
ny kotin'ny fitia,
ny maso indray mipia.

kanto avokoa
ny lalan-kaleha
f'efa ianao no atao rehareha.
Jamba ny fo fa tena tiana ianao
Tsy mahagaga akory
fa fiainam-baovao.
(Fiainam-baovao)
Fiainam-baovao...
no iarahana aminao.

REF:
Fanantenana avokoa
ny tonon-kiran'ny fo
fa feno fiainana soa.
Horakoraka maredon'ny mpifankatia
Mifampivelirano ho doria.
Mitsikitsiky mifaly
mihira ny feo.
Mikalo ho anao ka tsy leo.
Horakoraka maredon'ny mpifankatia
mifampivelirano ho doria.





Apetrako ho an'zay chériako zay io a

Partager babonao

Commenter babonao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite