4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aro - Bodo

Tsora-kazo mifamaho

Efa firy no nitranga teny an-dalanodiaviko

Tao ny orana mitraho

Tao ny tsikin’andro manga

Nefa samy nodiaviko

Ary nisy fijaliana tsy nampoiziko tokoa

Nizahana toetra ahy

Saingy tamim-pifaliana

No nandraisako azy ho soa

Mampiorona fanahy

      Ref:Tsy hoe izaho no tsy mahatsiaro

           Raha tsy de mikaikaika

           Amin’ny ratram-po sy feriko

           Fa ianao Jeso

           Miaro ny finoako tsy hiraika

           Ka ny herinao no heriko

Partager aro

Commenter aro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite