4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy maninona (fisarahana) - Bodo

Raha tsy ho eo intsony ilay fitiavana hatrizay

Raha toa hizara roa ilay fo iray

Raha toa ka ho rava izay naorintsika izay

Raha toa ka nangatsika ilay fitia

Aza asiana teny intsony fa aleo

Hivalona avy hatrany

Aza asina alahelo na arahina tomany



Avelao hivalona amin’izao

Satria nilaozanao

Sao potika sy lo ny fiainantsika roa

Tsy  ho ahy angamba ianao

Izaho koa tsy ho anao

Hangina tsy hiteny aho sao dia potika eo ny fo



Tsy maninona raha tsy anjarantsika roa

Ny hikambana ho tena iray tokoa

Tsy maninona raha toa ka faniriana iray tsy to

Tsy isika nomandahatra mialoha

Fitiavana tsy matotra na koa

Tsy mahafehy tena satria sahy nandà izay efa nekena



hivalona amin’izao

Satria nilaozanao

Sao potika sy lo ny fiainantsika roa

Tsy  ho ahy angamba ianao

Izaho koa tsy ho anao

Hangina tsy hiteny aho sao dia potika eo ny fo



Fa fo nifanjohy sty nifankafoy nivoady  ho doria

Kanefa rava foana teo ilay fiainandry

Raha toa tsy hifanjohy tsy hifanaradia

Tsy hiampitsinjo koa fa tsy to ilay fitia



Avelao hivalona amin’izao

Satria nilaozanao

Sao potika sy lo ny fiainantsika roa

Tsy  ho ahy angamba ianao

Izaho koa tsy ho anao

Hangina tsy hiteny aho sao dia potika eo ny fo



Bodo & Naivo

Partager tsy maninona (fisarahana)

Commenter tsy maninona (fisarahana)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite