4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy maninona - Bodo

Saingy hitanao
Misy rano ve
Teo amin’ny tavako
Saingy henonao
Misy feo niloatra
Teo amin’ny vavako
Dia noheverinao
Fa tomany no
Tamin’ny tarehiko
Dia noheverinao
Fa hoe ranomaso
No nisolo ny hehiko
Diso anefa ianao
Piti-drano ilay
Tamin’ny takolako
Ary tsy toloko
Ilay renao teo
Fa angolangolako

Tsy maninona aho
Tsy maninona aho
Ianao no voafitaky
Ny eritreritrao
Izaho tsy mitalaho
Izaho tsy mitalaho
Tsy ilaiko akory
Ny fampiononanao



Raha hitanao
Eny an-dalana eny
‘Lay olo-malalako
Dia mba ilazao
Fa tsy izy akory
Tsy izy no halako
Fa tandremonao
Sao lazainao azy
Ny amin’ny tantarako
‘Zao dia izao ihany
No ho teninao
Ka mba hanafarako
Diso hono hoe ianao
Raha heverinao
Fa tomany no ao am-po
Efa adino hono hoe
Ny momba anareo
Efa adino avokoa

Tsy maninona aho
Tsy maninona aho
Efa nionona aho
Ilay nilaozanao
Izaho tsy mitalaho
Izaho tsy mitalaho
Tsy ilaiko akory
Ny fiverenanao

Partager tsy maninona

Commenter tsy maninona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite